Hetsika "Ady Jamala": Rongony 150 000 fototra sy 2980 kg nopotehina

  • samedi, 14 septembre 2019 19:29
  • Sary: ZP

Nahitam-bokatra ny folo andro naharetan’ny hetsika « Ady Jamala » nataon’ny Zandarimaria tao anatin'ny Distrikan'Ambanja sy Ambilobe.

Rongony 150 000 fototra, milanja 1680 kg, tamina velaran-tany 20ha tao Andohan'ifasy, sy rongony maina saika hamidy mitontaly 1300 kg, tratra teny amin'ireo kizo Mevadoany-Mahadera, Kaominina Marotolana sy Ambohitrandriana-Betaindambo, Kaominina Marovato, no nopotehin’ny Zandary nandritra ny hetsika.

Nodorana ny andron'ny 13 septambra 2019, teo anatrehan'ny Lehiben'ny Distrika sy ny Fitsaràna ary ny Fonkotany ireo loza mitatao rehefa vita ny taratasy momba izany.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.