Mpivarotra art Malagasy digue: Mangataka ny tany ho azy, sy fanampiana amin'ny fatiantoka ateraky ny fanam-boaran-dalana

  • samedi, 14 septembre 2019 18:04
  • Sary Njaka

23 taona no nampisy ny art malagasy Digue FIMPIAMA.

Mangataka ny fitondram-panjakana ireo mpivarotra eny amin'ny route digue mba hanomezana ny toerana ho azy ireo ho titré-borné noho ny lalana izay efa nafindra toerana.

Izany indrindra no nanatontosana ny dinika niarahana tamin'ireo mpivarotra sy mpanao asa tanana malagasy tamin'ny fiadiadiana ny Repoblika, izay natao teny amin'ny Live hôtel Andavamamba.

Manao antso avo amin'ny firondram-panjakana hijery hifotony ny fanamboarana ny lalana izay efa naharitra telo taona ny nanaovan'ny Sinoa azy.

Nandritran'izany fanamboaran-dalana izany dia nihena teo amin'ny 20 isan-jato ireo mpanjifa, ary mihena araka izany ny fidiram-bolan'ireo mpivarotra izay ahitana trano eva manodidina ny efa-jato.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.