Vaovao

    • vendredi, 30 octobre 2020 21:27
    • Sary : Fiarovam-pirenena

    CAPSAT Soanierana : Basy miisa 1373 nopotehina

    Nopotehina ampahibemaso tao amin’ny Toby miaramila CAPSAT Soanierana – Antananarivo, androany, ireo basy miisa 1373 azo tamin'ny fanentanana natao, ary vokatry ny asa fampandriana fahalemana ataon'ireo miaramila eny an-kianja no nopotehina. Niatrika izany ny solotenan'ny Vondrona Afrikanina, Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard ary ireo Minisitra mpikambana eo anivon'ny governemanta sy ny Lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika, ny Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 30 octobre 2020 15:43
    • Sary Polisim-pirenena

    Raim-pianakaviana mifototra : Bevohokany ny zanany vavy 16 taona, ary nanala zaza

    Raim-pianakaviana 57 taona no nifototra, nanararaotra ara-nofo ny zanany vavy, 16 taona. Nitondra vohoka ity tovovavy ity noho io toetra ratsy nataon'ny rainy taminy io, ary efa nanala zaza izy. Niezaka ny nanafina izany ary ilay zanany noho ny tahotra nahazo azy. Nitsabo tena tany Antsirabe ny vadiny, ary ilay tovovavy 16 taona sy ny Rainy sisa no tao an-trano, tany amin'ny faritra Ampitsaharana, Kaominina Soavinandriana. Nitsiry tamin'izany ny filan-dratsin'ilay Rainy ka ny zanany vavy indray no naholany tao an-trano. Nisy olona nahafantatra ity tranga ity ka nampian'ny vondrona miaro ny zon'ny vehivavy sy ankizy ity olona ity mba hiaraka ho any amin'ny Polisy hiarovana ilay zaza. Nandray ny andraikiny ny Polisy avy ao amin'ny Kaomisaria Soavinandriana Itasy, ary nosamborina avy hatrany ilay Raim-pianakaviana.    
    Lire la suite ...
    • vendredi, 30 octobre 2020 15:10
    • Sary nindramina

    Heloka bevava : Teratany frantsay nitsoaka avy any Fantsa, voasambotra tao Antsiranana

    Voasambotra tany Antsiranana ny alakamisy 29 oktobra teo, ny teratany frantsay iray, izay tratra ny didy fampisamborana iraisam-pirenena noho ny fanodikodinam-bola miaraka amin’ny fandrahonana tamin’ny fitaovam-piadiana, fitazomanana an-keriny ary famonoana olona. Tranga niseho tamin’ny 2019 tany amin’ny faritra atsimo-atsinanan’i Frantsa. Nifarimbona nahazoana izao vokatra izao ny Zandary frantsay, mpanao famotorana anankiroa ao amin’ny sehatry ny fikarohana any Marseille sy ny sampan-draharahan’ny filaminana anatin’ny Ambasady frantsay, sy ny Polisy Malagasy. Afaka notanterahina ity hetsika niarahan’ny Zandarimaria frantsay sy ny Polisy Malagasy ity noho ny fifanarahana fiaraha-miasa roalafy misy eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara.  
    Lire la suite ...
    • jeudi, 29 octobre 2020 12:09
    • Sary nomena

    Faritra Atsinanana: Mbola maro ireo filàna amin'ny fotodrafitrasam-pampianarana.

    Tsapa fa nitombo ireo fotodrafitrasam-pampianarana noho ny ezaka nataon’ny Minisitera tompon’andraikitra amin’ny alàlan’ny programany manokana sy amin’ny alàlan’ny fiaraha-miasa 3P na Partenariat Public-Privé. Mbola maro anefa ireo fangatahana tonga ato amin’ny faritra Atsinanana. Maro koa ny fanasan’ny Ray aman-drenin’ny mpianatra ny Goverinora RAFIDISON Richard Théodore hijery ny zava-misy eny ifotony. Isan’izany ny ao Maromadinika, Fokontany Ambodiaramy, Kaominina Tsivangiana, Distrikan’i Vatomandry, notsidihiny tamin’ny diany tany atsimo farany teo. Ontsa ny fo, nahita izao zava-misy izao, ka na dia tampoka aza ny fangatahana dia nampanatena DABILIO 25 Andriamatoa Governora amin’ny anaran’ny Faritra, ary nametraka fanamby hanentana ireo tsara sitra-po mba hanampy ireo sekoly tratran’ny tsy fahampian’ny fitaovana toy izao. Araky ny teniny : « Tovotovogna tsy dignin-tanty », « erikerika maha-tondra-drano ». (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • dimanche, 25 octobre 2020 19:36

    Frantsa Covid-19: Halavaina hatramin'ny 16 febroary 2021 ny hamehana ara-pahasalamana

    Nanapaka ny Antenimieram-pireena frantsay omaly sabotsy 24 oktobra, fa hitarina hatramin'ny 16 febroary ny hamehana ara-pahasalamana noho ny ady tao amin'ny valanaretina Covid-19. Miandry ny fanapahan'ireo Loholona ny fiandohan'ny volana novambra hamanan-kery ny hamehana ara-pahasalamana. Any Frantsa, dia tsy maintsy ny Parlemanta no manapka ny Hamehana ara-pahasalamana raha mihoatra ny 1 volana ny fepetra. 34 645 ireo namoy ny ainy hatramin'ny niandohan'ny valanaretina. Omaly sabotsy 24 oktobra dia tafakatra 45 422 ireo voan'ny Covid-19.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 24 octobre 2020 10:01

    Ambatondrazaka : Andry Rajoelina a réaffirmé la gratuité de l'éducation

    Le Président Andry Rajoelina a réaffirmé, lors de son déplacement à Ambatondrazaka, que les droits d’inscription aux écoles publiques dans tout Madagascar seront pris en charge par l’État pour cette rentrée scolaire. Une somme de 16 milliards d’Ariary a été retirée du budget de chaque ministère, pour financer le projet caisse école. Ceci, dans l'objectif d'assurer la gratuité de l'éducation et d'alléger ainsi les difficultés subies par les parents d'élèves. Cette mesure a d'ailleurs permis cette année, d'enregistrer une hausse du taux de scolarisation des enfants au niveau des établissements publics.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 20 octobre 2020 13:09
    • Sary Njaka

    Asa fanaovan-gazety: Notolorana mariboninahi-pirenena ireo mpanao gazety zokiolona miisa 16

    Nahazo ny Grand croix de 2ème classe de l'ordre national malagasy ny telo tamin'izy ireo, Grand officier de l'ordre national malagasy ny roa, efatra kosa dia nahazo Commandeur de l'ordre national malagasy, ary ny fito dia nahazo Chevalier de l'ordre malagasy. Ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Lalatiana ANDRIATONGARIVO, moa no nanolotra izany, izay nisolo-tena ny filohan'ny Repoblika. Nisy ny fanolorana boky mirakitra ny lalàna momba ny serasera, izay nolanian'ny Antenimiera farany teo, ho azy ireo. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 20 octobre 2020 13:02
    • Sary : Polisim-pirenena

    Toamasina : Tovovavy nitambotsitra tampoka tao anaty efitrano iatrehany bakalôrea

    Tsy fahampiana « calcium » miampy sohika (asthme) izay efa nitaiza azy, no voalaza fa nitarika tsy fahasalamana tampoka nahazo an’ity tovovavy ity. Izy efa tao anaty efitrano fanadinana bakalôrea no nitambotsotra tampoka izy, raha hiatrika ny taranja matematika androany maraina. Vao nahita izany ny tompon’andraikitra sy ireo Polisy vavy teo an-toerana dia nifarimbona namonjy azy haingana ka nitondra ilay tovovavy tamin'ny fiara tany amin'ny dokotera. Nilaza ilay tovovavy fa vonona hanohy ny fanadinana rehefa nahazo hery ka naterin'ireto Polisy vavy tao amin'ny tranom-panadinana. Bakalôrea ankapobeny, sokajy D no misy azy.    
    Lire la suite ...
    • dimanche, 18 octobre 2020 18:06

    Bakalôrea 2020 : Sahirana tamin’ny fakana kopia fahaterahana ireo mpiadina latsaky ny 18 taona

    Tonga adiny roa mialoha eny amin’ny toeram-panadinana, karatra maha mpianatra, miampy kopia fahaterahana ho an’ireo mpiadina latsaky ny 18 taona. Anisany fepetra vaovao noraisin’ny fanjakana amin’ny fiatrehana ny fanadinana bakalôrea amin’ity 2020 ity ireo. Niteraka resabe ny fepetra, indrindra ho an’ireo ray aman-dreny manan-janaka hiatrika io fanadinam-panjakana io, nefa lavitra ny foibem-panadinana no monina. Fa sahirana ihany koa ireo ray aman-dreny sy ireo mpiadina latsaky ny 18 taona tamin’ny fakana kopia fahaterahana izay takiana amin’ny fiatrehana ity bakalôrea ity. Maro ny mpiadina teraka tany amin’ny Distrika ivelan’ny foibem-banadinany, fohy anefa ny fotoana nahafantarana fa taratasy takiana io kopia io sy ikarakarana azy, ka niteraka tebiteby sy tsy fitonian-tsaina ho an’ny ankamaroany amin’izao ankatoky ny fiatrehana ny fanadinana izao.
    Lire la suite ...
    • jeudi, 15 octobre 2020 16:21
    • Sary: ZP

    Farafangana : Zandary « déserteur » voasambotra

    Voasambotra ny 13 oktobra 2020, tao Ambalafary Farafangana rehefa notadiavina, ny Zandary iray mbola amperinasa, izay nitsoaka andaharana nanomboka ny 29 septambra 2020. Nahazo loharanom-baovao ny Zandary fa misy tovolahy iray mandrava ny fananan'ny Ray aman-dreny niteraka azy ao Ambalafary. Nidina tany an-toerana avy hatrany ny "Equipe d'intervention rapide" avy ao amin'ny Vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria ao Farafangana.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 209