Raharaha volamena 73,5kg : Tsy afaka ny hanangana vaomiera mpanao famotorana ny Antenimieram-pirenena

  • mardi, 12 janvier 2021 19:37
  • Zakaria

Nivory teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny Vaomieran’ny « ressources stratégiques » eo amin’ny Antenimieram-pirenena androany 12 janoary 2021 maraina, manoloana ny raharaha fanondranana volamena antsokosoko.

Nanome fanazavana ny filohan’ny Vaomiera Mohamad Ahmad fa efa eny anivon’ny Fitsarana ny famotorana, noho izany dia tsy afaka ny hanangana vaomiera mpanao famotorana intsony ny Antenimieram-pirenena.

Tsy manakana anefa izany ny hitadiavan’izy ireo ny vaovao mari-pototra satria amin’ny maha-solombavambahoaka azy ireo, ary amin’ny maha-raharaham-pirenena ny zava-mitranga dia maro ny vahoaka no mangataka fanazavana sy mitaky ny marina mahakasika izany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.