Raharaha volamena 73,5 kg : Nandray ny solontenan’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy

  • lundi, 11 janvier 2021 13:38
  • Zakaria
  • Sary : MAE

Nandray ny solontenan’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo ny Minisitry ny Raharahambahiny malagasy, Dr Tehindrazanarivelo Djacoba A.S. Oliva, ny tolakandron’ny alahady 10 janoary 2021. Ny raharaha fanondranana volamena antsokosoko milanja 73,5 kg no votoantin’ny dinika.

Nisy ny fangatahana fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’ny tany roa tonta, mba hamerenana ireo harem-pirenena ireo eto Madagasikara sy ireo izay tratra tany Afrika Atsimo tamin’izao raharaha izao.

Natolotry ny Minisitra mivantana tamin’ny solontenan’ny Masoivohon’i Afrika Atsimo ny antonta-taratasy mirakitra izany fangatahan’ny Fanjakana malagasy izany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.