Volamena 73.7kg : Niainga ara-dalàna tao Ivato ho any Toliara ilay fiaramanidina, sainga dodona ihany tsy niandry ny baikon'ny Tour de contrôle farany

  • dimanche, 10 janvier 2021 18:25
  • Tigre

Arao ary ny fizotran'ny fiaramanidina.

Niala an'Antananarivo (TNR) hihazo an'i Toliary (TLE), zotra anatiny ny fiaramanidina 5R-ASB ny 31 desambra 2020

Resaka nifanaovan'ny Mpanamory sy ny Mpandrindra ny abakabaka na Tour de contrôle Ivato

5h08 :
- Nangataka ny amelona ny moteran'ny fiaramanidina ny Mpanamory
- Nanome alalana ny Tour de contrôle amelomana ny motera, ary ny hilazany rehefa vonona ny anainga

5h12 :
- Nilaza ny fahavononany hanainga ny Mpanamory
- Nankatoa ny fiaingana ny Tour de Contrôle ary nanome ny toromarika amin'ny lalana hizorana hanjoy ny piste iainganna, ary nangataka ny anamafisana rehefa tonga eo amin'ny fiantsonana alohan'ny fitilinana.
- Nanamafy ny fizorany hiazo ny toerana fiantsonana alohan'ny hiaingana ny Mpanamory.

5h14 :
- Nilaza ny dia alehany ny mpanamory
- Nanamafy ny dia ho any Toliara ny Tour de contrôle, ary nanome ny toromarika momba ny dia, sy ny piste hiaingana

5h15 :
- Nilaza ny fahatongavany eo amin'ny fiantsonana alohan'ny hiazo ny piste hisidinana ny Mpanamory
- Naniraka ny mpanamory hiditra ny hitsin'ny piste ny Tour de controle, ary hampilaza rehefa vonona ny hanainga
- Nanamafy ny Mpanamory, fa hiditra ny hitsin'ny piste ary hampilaza rehefa vonona ny hanainga

5h15 :
- Nangataka tamin'ny Tour de contrôle ny Mpanamory ny handray ny lalana manitsy (Izay fanao izy io rehefa tsara ny andro)
- Nangataka ny hamerenana ny fangatahany ny Tour de contrôle
- Mangataka ny lalana mahitsy izahay (Trajectoire de départ visuelle na raccourci)
- Nanome alalana ny Tour de contrôle, ary nanome ny andinindininy ny lalana hizorana aorian'ny fiaingana

5h16 :

Niainga avy hatrany ny fiaramanidina, tsy nampilaza ny fahavononany, ary tsy niandry ny filazana avy amin'ny Tour de contrôle ny fahazoan-dalana hisidina (Clairance de décollage)

5h17 :

- Niantso ny mpanamory ny Tour de contrôle, ary nampitandrina azy amin'ny manaraka, fa tokony niandry ny fanomezan-dalana hisidina izy (Clairance de décollage) vao nanainga
Nanome ny toromarika farany momba ny fifandraisan-davitra ny Tour de contrôle ary nirary andro tsara.
- Nanamafy ny fandraisany ny toromarika momba ny fifandraisan-davitra ny mpanamory ary nirary andro tsara ihany koa.

Tapitra.
(Mbola hitohy any Johannesburg)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.