Covid-19 Angletera : Mandravarava tsy voafehy

  • samedi, 09 janvier 2021 10:24
  • Tigre
  • Sary nindramina

Vaky vava ny Ben'ny Tanàna ao Londres fa tsy voafehy ny fihanaky ny valanaretina Covid-19 amin'ny endriny vaovao, 50-70% n'ny fihazakazaky ny fihanak'ilay valanaretina teo aloha ity endriny vaovao ity.

Raha ny fanazavan'ireo mpitsabo, dia ny fanafody nampiasaina hiadiana amin'ilay Covid-19 teo ihany no hiadiana amin'ity fiovana endrika vaovao ity, fa ny mahasamihafa azy, dia ity vaovao ity miazakazaka mifindra be, ka dia izay no mahafeno aingana ny hopitaly, ary maro arak'izany koa ireo namoy ny ainy.

Omaly zoma 08 janoary fotsiny no 1325 no namoy ny ainy ireo marary, ary 61 757 ireo tratran'ny aretina omaly fotsiny.
79 833 no efa namoy ny ainy tany Royaume-Uni nanomboka nisian'ity valanaretina ity, ary 69 670 dia tao Angletera avokoa no maty.

Angletera moa ankehitriny dia efa mihiboka tanteraka, ary mitohy ny fanaovam-bakisiny, izay hany tokony hiarovana amin'ity valanaretina ity raha ny fanambaràn'ireo manam-pahaizana momba ny ady amin'ny valanaretina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.