Oniversite Antsiranana : Rakotra mpitandro filaminana vao maraina

  • samedi, 09 janvier 2021 08:44
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Mpitandro ny filaminana marobe mirongo basy no namoha mandry ny mpianatry ny Oniversite Antsiranana io maraina io.

Mitranga izany roa andro taorian'ny hetsiky ny mpianatry ny ENSET (École Normale Supérieure et Enseignement Technique) izay niafara tamin'ny fahamaizana fiara sy fahavakisan'ny birao ny fiadidiana ny oniversite, ka nahaverezana fitaovana maromaro.

Etsy ankilany, milaza ny mpianatra fa miandry miaramila miala izy ireo, dia hanao fivoriambe, mitohy ny hetsika fitakiana ny handraisana ho mpampianatra avy hatrany ireo rehetra vita fianarana mivoaka amin'ny ENS.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.