Antsiranana : Navotsotra avokoa ireo mpianatry ny ENSET voasambotra

  • vendredi, 08 janvier 2021 11:30
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nivoatra ny toe-draraha ao amin’ny oniversite Antsiranana. Lasa fitokonana faobe ny fitakiana nataon’ny mpianatra ao amin’ny ENSET Antsiranana, mitaky ny handraisana ireo mpianatra rehetra vita fianarana, ho mpampianatra amin’ny fanabeazam-pirenena.

Nifamotoana teny amin’ny campus ny mpianatra omaly hariva. Mitaky ny fisian'ny rano eny amin’ny toeram-ponenan’ny mpianatra izy ireo, ny hanatsarana ny trano izay tsizarizary. Niitatra hatrany amin’ny fitakiana ny fialan’ny filohan’ny oniversite ny tapak’ireo mpianatra io hariva io, ary nilaza izy ireo fa hitohy ny hetsika.

Navotsotra omaly hariva io ihany ireo mpianatra niisa 16 nosamborin’ny mpitandro ny filaminana nandritra ny hetsi-pitakiana nataon’izy ireo nidinana an-dalambe.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.