Morondava : Tafakatra 12 ny olona voatily mitondra ny Covid-19
- vendredi, 08 janvier 2021 11:14
- Zakaria
Nanomboka tamin’ny faran’ny taona 2020 ka hatramin’izao volana janoary 2021 izao dia tafakatra 12 ny olona voatily mitondra ny tsimokaretina Covid-19 aty Morondava, renivohitry ny faritra Menabe.
Nisy ny fivoriana tsy ara-potoana nataon’ny OMC sy ireo tompon’andraikitra voakasika rehetra mba hijerena ireo fepetra horaisina manoloana izany.
Tapaka tamin’izany fa haverina indray ireo fepetra aram-pahasalamana ho fiarovana ny tsy hiparitahan’ity valan’aretina ity : tsy maintsy manao arovava orona ny tsirairay rehefa mivoaka ny tokan-trano, hajaina hatrany ny elanelana iray metatra amin’ny toerana fivorivoriana sy be olona.
Hisy ny fanaraha-maso ataon’ireo tompon’andraikitra amin’ny fanatanterahana ireo fepetra aram-pahasalamana ireo.
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.
Le code HTML n'est pas autorisé.