Fifamoivoizana : Mikatona ny sisitany malagasy

  • samedi, 21 novembre 2020 10:23
  • Zakaria

Mampatsiahy ny eo anivon'ny masoivoho malagasy any Frantsa, araky ny noty navoakan'ny ACM, na ny sampana miandraikitra ny fifamoivoizanna anabakabaka eto Madagasikara, fa mbola mikatona ny sisitany malagasy, na ho an'ireo teratany malagasy, na ho an'ireo teratany vahiny monina eto Madagasikara, izay mikasa hody na hiverina aty Madagasikara.

Ny faritry ny Nosy be ihany no misokatra ho an'ireo mpizahan-tany, ary tsy mahazo mivoaka ny Nosy be izy ireo.

Arak'izany dia tsy misy fanomezan-dalana omena na teratany malagasy, na vahiny te hande aty Antananarivo na ao Nosy be raha manam-pikasana ny hody aty Madagasikara.

Ireo mpiasan'ny masoivoho vahiny amonjy ny famindran-toerana hiasana aty Madagasikara ihany no mahazo miditra ny sisitany malagasy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.