Tetezam-by Tanjombato : Tsy ho azo ampiasaina mandritra ny telo andro

  • lundi, 16 novembre 2020 19:45
  • Zakaria
  • Sary MATP

Hasiam-panamboarana ilay tetezam-by eo Tanjombato, mandika an'Ikopa.

Ho tapaka io tetezana io manomboka rahampitso 17 novambra 2020 manomboka amin'ny 05 ora maraina ka hatramin'ny 19 novambra 2020.

Ho azo ifanenana ilay tetezana "béton" etsy amin'ny ilany.

Hisy lamina hapetraky ny mpitandro ny filaminana sy ny Kaominina Tanjombato handrindrana antsakany sy andavany ny fifamoivoizana eny an-toerana.

Ny tsara dia mamonjy ny By Pass ireo fiara vaventy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.