Manaratsandry-Marovoay : Olona dimy naratra tao anatin’ny fanafihana mitam-basy

  • dimanche, 15 novembre 2020 20:07
  • Zakaria

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao Amanga/ Ampisikina Fokontany Ambodinjambarao, Kaominina Manaratsandry, Distrika Marovoay.

Enin-dahy, nirongo basim-borona sy zavamaranitra no nanao amboletra namaky tranon’olontsotra tao an-tanàna.

Tsy nanaiky lembenana fa nanohitra ny tao an-trano. Raikitra ny sakoroka, nanapoaka basy ireo olon-dratsy sady nandositra. Olona miisa dimy, telo lahy sy roa vavy, no naratra. Voatifitra ny sasany, naratran’ny zavamaranitra ny hafa.

Tsy nahazo na inona na inona ireo olon-dratsy.
Nanokatra fanadihadiana ikarohana ireo olon-dratsy ny Zandary.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.