Saranambana – Fenoarivo Atsinanana : Manolo zanakazo 12 000 isan’olona ny sazin’ireo tratra nandoro ala

  • dimanche, 15 novembre 2020 19:17
  • Zakaria

Olona miisa 19 no voarohirohy tamin’ny fitevena sy fandorana kirihitra, niitatra tamin’ny fahamaizan’ny ala tao Bekotro, Fokontany Beangaka, Kaominina Saranambana, Distrika Fenoarivo Atsinanana ny 9 novambra lasa teo.

Tsy salama saina ny iray tamin’ireo voarohirohy, ny 18 ambiny kosa arahi-maso ara-pitsarana hatramin’ny volana martsa 2021, ary koa didian’ny Fitsarana hamokatra zanakazo 12 000 fototra isan’olona ao anatin’ny telo volana, miampy fanaovana tanin-janakazo 01m/10m isan’olona ao Beangaka ao anatin’ny iray volana.



Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.