Covid-19 : Tsy misy intsony ny hamehana ara-pahasalamana

  • dimanche, 18 octobre 2020 21:13
  • Zakaria

Nambaran’ny filoha Andry Rajoelina nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ny Televiziona Malagasy io hariva io, fa tsy misy intsony ny hamehana ara-pahasalamana rehefa naharitra fito volana.

Nanamafy ny filoha fa hajaina hatrany ireo fepetra ara-pahasalamana toy ny fanaovana arovava orona, fanasana tanana amin’ny savony sy fanosorana « gel désinfectant » ary ny fanajana ny elanelana 1 metatra.

Voarara, tsy azo atao ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 200.
Mbola mikatona ny sisintany eto Madagasikara. Tsy mbola mandray sidina avy any ivelany, hiarovana ny mpiray tanindrazana.

Tsy afaka miditra ao Nosy Be ireo vahiny avy any amin’ireo firenena hita fa miverina mirongatra ny Covid-19.
Amin’ny 1 novambra 2020 ny sidina farany hampodiana ireo olona tavela avy tany ivelany ka maniry hody eto Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.