Tangainony – Farafangana : Voarohirohy ho nanolana ny mpanampy vavy tao aminy ny Ben’ny tanàna

  • mardi, 13 octobre 2020 13:18
  • Zakaria

Zazavavy iray, 9 taona, mpiasa an-trano no voalaza fa niharan’ny fanararaotana ara-nofo nataon’ny mpampiasa azy. Olom-boafidy ao Tangainony Distrikan’i Farafangana ny mpampiasa azy.

Nanao raharaham-pihavanana ilay mpanolana, ary nampanantena handoa vola 3 tapitrisa Ariary mba hampanginana ny raharaha.

Tsy naloan’ilay olom-boafidy anefa ny vola, ka nitondra ny raharaha teny amin’ny Fampanoavana Farafangana ny ray aman-drenin’ilay zaza ny 8 oktobra 2020.

Nanankinana ny famotorana ny Zandary. Voasambotra ny 9 oktobra 2020, ilay Ben’ny tanàna ary notanana natao andrimaso natao famotorana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.