Ihazolava-Ambatolampy: Lasan’ny jiolahy ny vola 780 000 Ariary tao amin’ny Cash Point iray

  • dimanche, 11 octobre 2020 20:02
  • Zakaria
  • Loharanom-baovao : ZP

Cash Point iray teo Ihazolava, tanàna iray ao atsimon'Ambatolampy, raha hiazo an’Antsirabe manaraka ny lalam-pirenena faha7, no voasolokin'ireto jiolahy, ny 9 octobra 2020 misandratr’andro.

Tratry ny fandraikiraikena ny mpitantana ilay Cash Point ka lasan’ny jiolahy ny vola 780 000 Ariary.

Nitsoaka tamin’ny fiara Hyundai izy ireo taorian’izay.
Nahazo fampandrenesana ny Zandary Ambohimandroso ka namelatra sakana avy hatrany.

Voasakana tokoa ilay fiara nisy ireo olona tao anatiny, izay vehivavy ny iray.
Mbola tratra tao ny vola valo alina sy fito hetsy voasoloky, rehefa natao ny fisavana ilay fiara.

Rehefa nohadihadiana dia monina eny 67ha sy Anosizato Antananarivo izy ireo. Efa nanomboka hatrany Ambatofotsy sy Behenjy izy ireo no nanao ny asa ratsiny saingy teo Ihazolava no nahazahoany.

(Loharanom-baovao : ZP)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.