Fampianarana teknika sy arak’asa: Mpiadina 1559 miatrika fanadinana nanomboka omaly

  • mardi, 15 septembre 2020 20:26
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Nanomboka omaly alatsinainy 14 septambra 2020 ny fanadinana ahazoana ny CAP (Certificat d’Aptitude Professionnelle) sy ny CFA (Certificat de Fin d’Apprentissage) ho an'ireo mpiadina 1559 manerana ny nosy.

Miisa 1283 ireo mpiadina miatrika ny CAP ary 276 kosa ny miatrika ny CFA izay mitsinjara ao antin’ny ivo-toeram-panadinana miisa 49 manerana an’i Madagasikara.

Haharitra efatra andro ny CAP, ary telo andro kosa ny CFA.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.