Sahanivotry - Antsirabe II: Eni-mianaka maty sempotry ny entona saribao

  • lundi, 14 septembre 2020 19:47
  • Zakaria

Olona enina, renim-pianakaviana iray 35 taona sy ny zanany dimy mianadahy, 10 taona, 6 taona, 3 taona, 2 taona ary zaza vao 5 volana, no niara-namoy ny ainy tao Maromandraisoa, Kaominina Sahanivotry, Distrika Antsirabe II Faritra Vakinankaratra.

Ny 9 hifoha ny 10 septambra 2020 no niseho ny loza. Mpanao saribao ireto fianakaviana ireto. Entona avy amin’ny afon-tsaribao tsy maty tao an-trano no tombanana ho nanempotra ka nahafaty azy eni-mianaka, araka ny fitsirihana nataon’ny dokotera avy ao amin’ny CSB I Sahanivotry.

Tsy tao an-toerana, fa tany Antsirabe ny raim-pianakaviana tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza, ka izy niverina tao an-tanàna no nahita ny vady aman-janany nitsirara tao an-trano.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.