Gare Routière Aranta – Mahajanga: Manohitra ny fametrahana "Caisse unique" ny mpiasa sasany

  • samedi, 12 septembre 2020 19:16
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Fihetsiketsehana vao maraina, narahina filanjana sorabaventy, no tazana teo amin’ny Gare Routière Aranta – Mahajanga androany sabotsy 12 septambra 2020.

Manohitra ny fametrahana "Caisse unique" ny mpiasa sasany.

Nambaran’ny filoham-pirenena nandritra ny tafa nataony tao amin’ny Televiziona Malagasy ny alin’ny alahady 6 septambra 2020 fa hisokatra ny Talata 15 septambra 2020 ny fitaterana amin’ny Lalam-pirenena faha-4, mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga ary mandalo ny Faritra Betsiboka.

Misokatra amin’ny ampahany ny lalam-pirenena faha-6, na izany miainga an'Antananarivo na miainga ao Mahajanga ary mihazo ny Faritra Sofia, hatreo Antsohihy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.