Ambatofinandrahana: Niakatra tampoka ho 600 Ariary/kapoaka ny vidim-bary

  • vendredi, 31 juillet 2020 12:10
  • Zakaria

Nidina nanara-maso ny vidim-bary teny an-tsena sy toeram-pivarotana ny avy amin'ny OMC Ambatofinandrahana manoloana ny fisondrotan'ny vidim-bary tampoka ho 600 Ariary tamin'ity herinandro ity.

Nampidinina ho 500ar ny vidim-bary ary hihatra manomboka ny zoma 31 Jolay avy hatrany izany. Tsy maintsy mametaka ho hita mibaribary ny vidin'ireo entana ilain’ny mponina amin’ny fiainana andavan'andro ihany koa ny mpivarotra rehetra manomboka izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.