Tsy fanarahan-dalana: Olona iray voasambotra, fiara telo naiditra « fourrière » teto Analamanga

  • mardi, 28 juillet 2020 18:38
  • Zakaria
  • Sary: ZP

Mpamily fiara Sprinter iray no nosamborin’ny Zandary raha nikasa hitsoaka taorian’ny lozam-pifamoivoizana nataony teny Ambohibao Antehiroka, ny 27 jolay 2020, ka nanimban-javatra sy namparatra Zandary amperin’asa.

Nogiazana ambalam-pamonjana fiara ilay fiara nentiny.

Fiaran’olon-tsotra roa hafa ihany koa no naiditra « fourrière » vokatry ny fitondrana olona mihoatra ny fetra azony entina.

Fiara niisa 333, moto niisa 236, bisikileta niisa 131, ary olona niisa 855 no naverin-dalana, ny andron'ny 27 jolay, rehefa tsy nanana antony mazava hivoahana ny trano sy tsy nanaja ny fepetra amin’ny fahamehana ara-pahasalamana mihatra ato amin’ny Faritra Analamanga.

Tsy nanao aro-tava ny 24, nanana ara-tova saingy tsy nametraka izany amin’ny tokony ho izy ny 75 tamin’ireo olona ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.