Tosika fameno: Sanganehana ireo komitim-pokontany

  • lundi, 27 juillet 2020 13:36
  • Tigre
  • Sary nindramina

Miteraka savorovoro eny anivon'ny fokontany ilay fanomezana fanampiana tosika fameno mitentina 30 000ariary amin'ny alalan'ny ticket.

Raha 2000 ny isan'ny olona tafiditra hisitraka izany raha ny etsy quartier iray etsy Anjanahary ohatra dia ticket 200 isa no tonga. Misy moa ny filazana fa ho avy aoriana ny ambiny. Mipetraka ny olana iza no omena aloha, raha alefa araky ny lisitra voasoratra, totofan'ireo olona eny an-toerana ireo komity fa efa azo daholo ny ticket fa ahodikodin'n komity. Aseho ary ato peta-drindrina ny fanamarinam-pandraisana fa tsy voafehy ny tabataba, ireo izay tsy voasoratra anarana moa tsy resahina intsony ny menomenona.

Ny eny Ambohitsoa, dia olona 3 fotsiny no nahazo ny tosika fameno amin'ny quartier iray.

Misy aza ny olona efa nahazo ilay 100 000ariary no mbola mahazo indray ilay 30 000ar, misy aza moa ny manana trano be sy fiara no mahazo.

Niteraka olana eo amin'ny fiaraha-monina, ka maro ireo komity no nisitaka amin'ilay andraikitra satria mampiady.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.