Covid-19: Mijanona tsy miasa ireo mpiasam-panjakana marefo ara-pahasalamana

  • dimanche, 28 juin 2020 14:59
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Namoaka naoty ny minisitry ny asa, ny fampananan'asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy fa mijanona tsy miasa amin'ny asa ireo mpiasam-panjakana marefo ara-pahasalamana, araka ny fanambaran'ny Filoham-pirenena tamin'ny 14 jona, mandritra ny hamehana ara-pahasalamana.

Ny mpitsabo ara-panjakana eo anivonny Ministera sy ny Andrimpanjakana ary ireo Foibem-pitondrandraharaham-panjakana ihany no afaka manome taratasy mazava ara-pahasalamana an'ireo mpiasam-panjakana voalaza fa marefo ara-pahasalamana.

Tsy misy resaka aloha hatreo ireo mpiasa marefo ara-pahasalamana miasa amin'ny orinasa tsy miankina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.