Covid-19: Fitiliana 700 000 isan-kerinandro no atao ao Frantsa

  • samedi, 27 juin 2020 18:23
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Mba hisorohana ny fiverenan'ny firongatra faharoan'ny valanaretina Covid-19 dia manao filiana eny amin'ireo faritra ahiana mbola mety hiaingan'ny aretina ny any Frantsa.

Fitiliana maimaim-poana 700 000 isan-kerinandro eo no atao amin'izany.

Fantatra araky ny tantaran'ny valanaretina rehetra amin'ny ankapobeny fa ny firongatra faharoa, raha misy, no tena mahafaty miohatra amin'ny fiparitahana voalohany, satria manomboka midina ny fifehezan-tenan'ny mponina rehefa afaka ny fiparitahana voalohany.

Izay tranga izay indrindra no anaovana fitiliana faobe amin'ireo faritra mbola ahiana, satria tsy zakan'ny toe-karena, ary mety tsy hanaiky intsony ny mponina raha hanao fihibohana faobe fanindroany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.