Ivondro - Midongy Atsimo: Nitrangana halatr’omby nahafatesana olona miisa roa

  • samedi, 27 juin 2020 17:30
  • Tigre

Lasan’ny dahalo ny alin’ny 23 jona 2020 teo ny omby miisa 14, tao Antanasoa Fokontany Marozano, Kaominina Ivondro, Distrika Midongy Atsimo.

Roso tamin’ny fanarahan-dia ny Fokonolona nampian’ny Zandary. Nisy ny fifandonana rehefa nifankatratra tao Mananeno Fokontany Lavaraty. Maty tamin’izany ny roa tamin’ireo Fokonolona nanaradia.

Nanohy ny diany niazo ny Distrika Iakora ireo dahalo nandroaka ny omby. Mitohy ny fikarohana azy ireo.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.