Fanodinkodinana « Vary Mora » : Nolavin’ny Fitsarana ny fangatahana fahafahana vonjimaika an’ireo olona 7 voarohirohy tao Farafangana

  • vendredi, 26 juin 2020 19:49
  • Tigre

Vita ny 25 jona 2020 ny Fitsarana azy 7 voarohirohy ho nanodinkodina vary 79 gony tao amin'ny « Tsena Mora » Farafangana, ka ny 2 jolay 2020 izao no hamoaka didy ny Fitsarana.

Naverina any am-ponja daholo izy 7 ireo ary nolavin’ny Fitsarana ihany koa ny fangatahan'izy ireo fahafahana vonjimaika

Lehilahy ny efatra voarohirohy amin’ity raharaha ity ary vehivavy ny telo. Tale iraisam-paritra ny iray miaraka amin’ny vadiny sy ny anabaviny, « Assistant Parlementaire » ny telo ary mpivarotra mpamongady nividy ilay vary 79 lasaka izy ireo.

 
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.