Ady amin’ny Coronavirus: Tonga ny fitaovana andiany fahatelo fanomezan’ny Fondation Jack Ma

  • jeudi, 21 mai 2020 22:48
  • Zakaria
  • Sary nomena

Tonga nijery sy nandray tamin’ny fomba ofisialy ireo fanomezana avy amin’ny Fondation Jack Ma, teny Ivato ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka malagasy Pr Ahmad Ahmad sy ny Masoivoho Sinoa eto Madagasikara Rtoa Yang Xiaorong.

Fampitaovana ara-pahasalamana andiany fahatelo natolotrin’ny Fondation Jack Ma ho an’i Madagasikara izao, izay ahitana fitaovana fitiliana, arotava, akanjo fiarovana (EPI), « respirateur », ary natokana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana izay lohalaharana amin’ny ady amin’ny valanaretina « Coronavirus ».

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.