Bolivie: Nosamborina ny minisitry ny fahasalama noho kolikoly tamin’ny fividianana « respirateur »

  • jeudi, 21 mai 2020 13:56
  • Zakaria

Nividy « respirateur » miisa 170 tany Espaina ny fanjakana Boliviana, hiatrehana ny Coronavirus. 10 000 dolara ny vidin’ny iray amin’ireo fitaovana fameloman’aina io, ivarotan’ilay orinasa espaniôla nividianana azy. 28 000 dolara isanisany anefa no nandoavan’ny fanjakan’i Bolivie azy.

Miahiahy kolikoly avy hatrany ny fanjakana, ary tao ambadik’izany ny minisitry ny fahasalamana amperinasa ao an-toerana. Nosamborina avy hatrany io omaly alarobia 20 may 2020.

4 000 eo ny mararin’ny Coronavirus any Bolivie, 200 no namoy ny ainy.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.