Betafo RN34: Fiara roa levon’ny afo

  • mercredi, 20 mai 2020 22:28
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Lozam-pifamoivoizana niafara tamin’ny fahamaizana fiara anankiroa. Teo Atsinanatsena Betafo, Faritra Vakinankaratra, amin’ny lalam-pirenena faha-34 no niseho ny loza androany alarobia 20 may tokony ho tamin’ny 1ora tolakandro.

Fiara Peugeot 505 familial nijanona teo amoron-dalana no nifatraran’ny Mazda minibus, nilaozan’ny hisatra nefa nidim-pidinana. Mafy ny fifandonana, nitarika firehetan’ireo fiara roa. Nitorajofo ny afo, may kila ireo fiara sy ny entana tao anatiny avy. Tsy nisy ny aina nafoy.

Voatery notapahana ny jiro, rehefa nampandre ny Jirama ny Ben’ny tanàna Livasoa Randriatahianamalala, satria nisy andrinjiro teo akaiky ny toerana nitrangan’ny loza. Nifarimbonan’ny olona ny famonoana ny afo, efa niverina amin’ny laoniny ihany koa ny jiro taorian’izay.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.