Mahazoarivo – Vohipeno: Faty efa tena simba hita tao anaty lobolobo

  • mardi, 19 mai 2020 08:43
  • Zakaria

Ny misandratr’andro ny zoma 15 may 2020 no nahazo fampandrenesana avy amina olontsotra ny zandary avy ao amin’ny Brigady Vohipeno fa misy faty efa simba ao Mahazoarivo Kaominina Vohipeno, Faritra Vatovavy Fitovinany.

Nidina tao an-toerana ny Zandary niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSBII Mahazoarivo nanao fitsirihana sy nanamarina ny zava-nisy.

Lehilahy fantatra amin’ny anarana Rosy monina ao Ambalangavo Kaominina sy Ditrika Vohipeno ity maty ity. Efa tena simba ny razana, ary tsy hita ny singa sy taova sasany tamin’ny vatany tamin’ny fotoana nahitana ny razana.

Nanokatra fanadihadiana ny Zandary ao an-toerana, hahafantarana ny ambadik’izao raharaha izao.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.