Covid-19: Misy tranga roa mampiahiahy ato Antalaha

  • lundi, 18 mai 2020 21:02
  • Zakaria

Nanao « prélèvement » tamina olona roa ahiahiana ho mitondra ny tsimokaretina Covid-19 ny teto Antalaha. Nalefa omaly tamin’ny fiaramanidina ao Antananarivo ireo singa ireo hatao fitiliana. Eo ampiandrasana ny valin’izany ny aty an-toerana.

Tato ho ato dia misy ny sambo mitondra olona avy any Toamasina tafiditra aty SAVA, tonga eto Antalaha. Misy ihany koa ireo mandeha an-tongotra mitety ala avy any Toamasina tonga aty SAVA, ka manahy ny aty an-toerana sao avy amin’ireny no hidiran’ity valanaretina ity aty an-toerana.

Misy ny andia-miaramila nalefa avy ao Sambava hanara-maso ny fidirana an-tsokosoko aty an-toerana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.