EPP eto Antananarivo Renivohitra: Hifanome tanana amin'ny fampandehanana azy ny Ministera sy ny Kaominina

  • lundi, 02 mars 2020 15:37
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Hiara-hiasa ny Ministeran’ny Fanabeazam-Pirenena, ny Fampianarana ara-Teknika sy arak’Asa andaniny, sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ankilany, amin’ny fikolokoloana ny tranon-tsekoly sy ny fampisakafoanana ireo mpianatra ary ny fandraisana an-tanana ny fanakaramana ireo mpiambina eny amin’ny EPP miisa manodidina ny 90 eto anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.

Nivoitra io androany nandritra ny ny fifampiresahana teo amin'ny Ben'ny tanàna Naina Andriantsitohaina sy ny Minisitra Andriamanana Josoa Rijasoa Iarintsambatra tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely.

Heverina hatomboka amin’ny taom-pianarana manaraka ny fiaraha-miasa. Tanjona ny hahatonga ireo sehatra ireo ho ara-dalàna sy haharitra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.