Morondava: Misy traboina mitaraina ho tsy nahazo fanampiana

  • lundi, 02 mars 2020 15:35
  • Zakaria

Izahay traboina noho ny ranobe vokatry ny fahavakisan'ny fefiloha iray ao Ankabatomena nifanojo tamin’ny fiakaran’ny ranomasina nefa tsy nahazo fanampiana nandritra ny fizarana natao, hoy ny fitarainan’i Basile ao Antanambao.

Nantsoina izahay traboina nitoby teny amin’ny toerana nametrahana anay tamin’ny fotoana nahadibodrano ny tanàna fa hisy fizarana vary, nefa tsy nahazo nony tonga. Ny mahagaga sady mampalahelo ka mampitaraina anay, hoy hatrany i Basile, dia nisy olona tsy traboina nahazo vary.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.