ACMIL Antsirabe: Maro ny tovovavy te ho Miaramila

  • mardi, 24 septembre 2019 22:47
  • Zakaria
  • Sary: MDN

Nanomboka androany 24 septambra 2019 ny fifaninanana fihodinana voalohany hidirana ho mpianatra manamboninahitra, andiany mivantana faha-43 ao amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe.

Misy toeram-panadinana avokoa ny renivohim-paritany enina eto Madagasikara. Rezimanta Voalohan’ny Sampandraharaha sy Fifandraisana, na 1°RTS ny toeram-piadinana ho an’Antananarivo. Hita androany fa maro ny tovovavy maniry hiditra ao amin’ny ACMIL Antsirabe.

Miara-misalahy amin'ny fandavorariana izao fifaninana izao ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN) sy ny Birao mahaleotena miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) ary ny Minisiteran’ny Asa sy ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalana Sôsialy (MTEFPLS).

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.