Faharo Ratsimbalson: Nirotsaka ho kandida Ben’ny tanàna ao Sorombo - Manakara

  • samedi, 14 septembre 2019 18:59
  • Zakaria
  • Sary nindramina

Kandida narotsaky ny vovonana politika IRD (Isika rehetra miaraka @ Andry Rajoelina) ao amin’ny Kaominina Sorombo, Distrikan’i Manakara i Faharo Ratsimbalson, amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna hatao amin’ny 27 novambra 2019.

Manamboninahitra ambony tao amin’ny Tafika i Faharo Ratsimbalson. Efa misotro ronono izy ankehitriny. Efa solombavambahoaka, ary efa Ben’ny tanàna tao Belo-sur-Tsiribihina, ary mpikambana tao amin’ny antoko RPSD Vaovao tamin’izany.

Lehiben’ny Faritra voalohany notendrena tao Menabe i Faharo Ratsimbalson tamin’ny 2009. Kandida filoham-pirenena tamin’ny 2013.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.