Cathédrale Andohalo: Fihaonana tamin'ireo Eveka

  • samedi, 07 septembre 2019 16:26
  • Tigre

Nanazava ny fitondran-tenan'ny Mpitondra Fiangonana ny Papa, ny hifandraisan'ny Eveka manokana amin'ireo Pretra sy Reliziozy eo ambany fiadidian'izy ireo. Ny fijerena akaiky ny tena mahazo ny vahoaka ho entina, ny tsy fitsikombakombana amin'ny zavatra tsy mety ataon'ny fitondram-panjakana raha misy izany, ny fahanginana manoloana ny tsy rariny.

Entitra ny Papa amin'ny tokony anakekezana ny vahoaka sy ny Kristianina. Hijerena ireo mampahory azy. Noantitranteriny ny mahazava-dehibe ny fanofanana ireo miroso amin'ny fanompoana an'Andriamanitra, ny firosoana ho Relijiozy, Diakra ary Pretra.

Nanome toromarika ihany koa ny Papa an'ireto Eveka ny firaisan-kina, ny fiaraha-miasa amin'ny Laika, ny fikambanana, ary ireo fiarahamonim-pirenena.

Taorian'ny fihaonana tamin'ireo Eveka, dia noraisiny tanana tsirairay ireo Eveka, ary niaraka naka sary izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.