Karmelita : Najanon'i Papa ny toriteny efa nomaniny

  • samedi, 07 septembre 2019 12:49
  • Tigre

Nihaona tamin'ireo masera mitoka-monina ao amin'ny karmelita Ampasanimalo ny Papa Fransoa.

Efa nanomana toriteny izy fa araky ny nambarany, dia ho zaraina aminareo izany toriteny izany fa aleo ho izy ny foko no hiteny.

Notantarainy ny fiainan'ity masera tanora niharitra nanolo tena nikarakara masera be kizitina antitra.
Ny fanetren-tena sy ny fanekena hoy izy no nahavitany ny iraka nampanaovina azy. Ary nahitany an'Andriamanitra.

Tantaran'ny Masimbava Terezy io hoy izy, Terezy izay miaro sy manampy azy ihany koa, satria izy efa antitra nefa eo hatrany Masimbavy Terezy mitantana azy ahita an'Andriamanitra.

Amin'ny fanampiana ny madinika, ny osa hoy i Papa Fransoa no ahitana an'Andriamanitra. Aza mitady zavatra goavana hoy izy, fa manaova ny asa faran'izay tsotra, fanetren-tena farany izay madinika dia ahita an'Andriamanitra.

Nankahery sy nitsodrano ireto masera manokan-tena ho an'Andriamanitra ireto ny Papa Fransoa.
Talohan'ny nandaozany ny Carmel dia nanantona mitokana tamin'ireo masera tsy miseho aman'olona izy. Ary dia nandray tanana ireo masera nihaona taminy.

Hiaona amin'ireo Eveka izy eny amin'ny Katedraly Andohalo ny tolakandro. Hiarahaba azy eny ihany koa ny FFKM.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.