Tselatra

    • jeudi, 21 janvier 2021 20:51
    • Sary ZP

    Antsahampano-Antsiranana II : Lehilahy iray hita faty roa andro taorian’ny nipaohan’ny rano azy niaraka tamin’ny fiara

    Lehilahy iray, 27 taona, no hita faty androany maraina tao amin’ny seranan’ny orinasa iray mpamokatra sira ao Antsahampano, Antsiranana II. Iray tamin’ireo olona roa tao anaty fiara 4x4, nopaohin’ny ranontrambo ny marain’ny talata 19 janoary 2021 teo izy io, teo amin’ny renirano Antomboka Namakia, raha avy any Antsiranana hiazo an’Andranovondronana nandritra ny fandalovan'ny andro ratsy Eloise. Efa nalain’ny fianakaviany ny faty taorian’ny fanamarinana sy ny fizahana nataon’ny dokotera teo anatrehan’ny Zandary.Efa hita ary nakarina avy ao anaty rano ihany koa ny fiara nitondra azy ireo. Mbola misy ramatoa iray tao anatin’io fiara io, karohina amin’izao fotoana izao. Mifarimbona amin’izany ny andary, Miaramila ary ny Fokonolona. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 janvier 2021 18:54
    • Sary ZP

    Toliara : Tonga manoloana ny Lapan' ny fitsarana ireo vahoaka avy ao Betsinjaka

    Androany 21 janoary tokony tamin'ny 09ora sy sasany maraina dia tonga manoloana ny Lapan'ny fitsarana teto Toliara ireo vahoaka avy ao Betsinjaka, Distrika Toliara II. Olona eo amin'ny 200 eo no nitondra sorabaventy mitaky ny amoahana ny filohan'ny Filan-kevitra monisipaly ao amin'ny Kaominy Betsinjaka, izay nigadra rehefa notorian'ny Ben'ny Tanàna ho nivarotra ny tanin'ny Kaominina taman'olon-kafa. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary nifampiresaka tamin'ireo vahoaka nivory, ary noferana mafy tsy hibahana ny arabe. Nanaiky ireo ary nipetraka eny amin'ny sisin-dalana. Nilamina teo amin'ny tribonaly. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 janvier 2021 17:00
    • Sary nomena

    Eloise : Tafaverina ny jiro Ambatoboeny

    Maty tanteraka ny jiro teto Ambatoboeny omaly satria nilavoan'ny hazo ny fil ny jirama vokatry ny fandalovan'ny rivotra sy orambe nentin'i Eloise ny alarobia 20 janoary . Tsy nitazam-potsiny anefa ny miaramila avy ao amin'ny ZRPS DELTA Ambatoboeny, tarihin'ny Colonel Christian Jean Randrianantenaina, fa avy hatrany dia nanapaka an'ireo hazo nanindry ny fil ny Jirama mba ahafahan'ny Jirama mamerina ny jiro. Maromaro ireo trano simba, mbola mandrahona ny andro fa efa tsy misy rivotra sy orana firy intsony.Efa niverina kosa ankehitriny ny jiro eto Ambatoboeny. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • jeudi, 21 janvier 2021 08:37

    Jirama : Nanome 48ora ny fitondrana ampidinana ny vidin'ny jiro sy rano

    Tapaka tamin'ny filankevitry ny minisitra omaly alarobia 20 janoary 2021 fa tsy tokony mbola ampiharin'ny Jirama ilay fikajiana vaovao izay mampiakatra ny vidin'ny jiro sy rano, nefa ny vidim-piainana miakatra, ary vao avy nisedra ny olan'ny valanaretina Covid-19 ny Malagasy. Manamafy ny fitondrana fa mahazo fanampiana na subvention anarivo tapitrisa ariary ny Jirama ka ilaina ny fampidinan'ny orinasa Jirama ny saran'ny jiro sy rano izay mahakasika ny fiainam-bahoaka. Manome 48ora ny Jirama ny fitondrana handaminana ireo faktiora izay tsy takatry ny mpanjifa intsony ny fandoavana azy. Manamafy ity filankevitry ny minisitra ity fa mila maka ny hevitry ny ministera mpiahy sy ny governemanta manontolo ny Jirama alohan'ny ampiakatra ny vidin'ny jiro sy rano.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 20 janvier 2021 18:01

    Miary Lamatihy - Sakaraha : Nitrangana halatra osy miaro fakana an-keriny

    Ny alin'ny 16 janoary 2021 no nitrangan’ny halatra osy miaro fakana an-keriny tao Antsapana Kaominina Miary Lamatihy, Distrika Sakaraha. Osy miisa 42 no nangalarina dahalo, ary olona 3 nataon’izy ireo takalonaina. Niditra ny ala zombitse ireo dahalo ireo.Nifarimbona ny Zandary sy ny Fokonolona nanao fanarahan-dia. Nisy ny fifandonana. Vokany, tafaverina avokoa ny osy rehetra, toy izany koa ireo olona 3 voatazon'ireo dahalo. Azo sambo-belona ny dahalo iray, karohina ireo namany.  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 20 janvier 2021 10:50

    Mahitsy – Ambohidratrimo : Nitrangana fanafihana mitam-piadiana

    Andian-jiolahy mitondra basy sy sabatra no mandroba ny tsena izay mbola nisokatra tao Mahitsy, Distrika Ambohidratrimo tokony ho tamin’ny 7ora hariva ny talata 19 janoary. Fivarotana maro no voatafika ary nitsoaka ireo jiolahy taorian’izay. Mandray an-tanana ny raharaha ny Zandary.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 janvier 2021 18:21

    Eloise : Hiditra an'Antalaha

    Tany amin’ny 39 Km Atsinanan’ny Cap Est no nisy ny foiben’i ELOISE tamin’ny 03 ora tolakandro teo. Niakatra ho 100 Km/ora ny rivotra entiny, ary arahina tafiotra 140 Km/ora manodidina ny foibeny. Mizotra mianatsimo andrefana ny diany ka mahafaka 17 Km/ora. Hiditra an-tanety ao amin’ny distrikan’Antalaha izy tsy ho ela. Mbola manan-kery ny filazana fampitandremana ho an’ireto faritra sy Distrika manaraka ireto : Filazana Loza mitatao (Filazana miloko Mena) : Sava, Analanjirofo, Bealanana, Befandriana Avaratra ary Mandritsara. Filazana Loza manambana (Filazana miloko Mavo) : Toamasina I-II sy ALAOTRA. Filazana fanairana (Filazana miloko Maitso): Brickaville, Vatomandry, Mahanoro ary Moramanga. (Loharano Météo Madagascar)(Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 janvier 2021 17:59
    • Sary ZP

    Antsiranana : Naiditra am-ponja ilay jeneraly sandoka

    Voasambotra tao Antsiranana ny 13 janoary 2021 ny tovolahy iray 31 taona mampiasa ny kaonty Facebook "Xavier Rakotoson" noho ny fisolokiana sy fisandohana nataony. Niara-nientana ny Sampan-draharaha miady amin’ny fandikan-dalàna an’habaka sy ny Sampana miady amin’ny heloka bevava ao Antsiranana ary ny Vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimaria Amoron’i Mania. Nampiasa ny sarina Jeneraly, sekreteram-panjakana miadidy ny Zandariamaria tany aloha ity kaonty ity. Taty aoriana dia nosoloiny sarina manamboninahitra Jeneraly hafa indray io. Ny sarin’ny Jeneraly, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria ankehitriny no nampiasainy farany, izao izy voasambotra izao.
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 janvier 2021 08:25
    • Sary nindramina

    Antenimierandoholona : Ndremanjary Jean André sy Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana no hitarika fivoriana

    Ny senatera zokiolona Ndremanjary Jean André sy ny zandriolona Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana no hitarika ny fivoriana manokana sy voalohan’ireo senatera vaovao mandrafitra ny Antenimierandoholona. (Jereo Sary Tohiny)
    Lire la suite ...
    • mardi, 19 janvier 2021 08:21

    Anosibe : Trano 33 tafo ravan’ny afo

    Nitrangana haintrano teny Anosibe andrefana omaly alatsinainy 18 janoary maraina. Trano 33 tafo ravan’ny afo. Tsy fantatra mazava ny niandohan’ny afo, fa setroka nijolofotra no nanaitra ny olona, efa lasa tany amin’ny asa fihariana. Tonga teny an-toerana ny mpamonjy voina avy amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra namono ny afo. Ora roa teo vao voafehy izany. Fianakaviana 55 eo no traboina naterak’ity haintrano ity. Maro tamin’izy ireo no very fananana, nisy nanararaotra tao anaty fikoropahana sy famonjena voina nangalatra ny fananan'ny hafa.  
    Lire la suite ...
Page 1 sur 614