Kitra - Barea vs Etalons du Burkina Faso : Mbola baraingo ny handehan’ny lalao amin’ny TVM

  • lundi, 12 octobre 2020 12:25
  • Sary nindramina

Ho tanterahina any El Jadida - Maroc anio alatsinainy 12 Oktôbra 2020, amin’ny 7ora alina, ora eto Madagasikara, ny lalao ara-pirahalahiana, tafiditra amin’ny fanomanana ny CAN ifanandrinan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Etalons - Burkina Faso.

Ny fanapahan-kevitra handefasana mivantana na tsia ny lalao dia miankina amin’ny fifanarahana eo amin’ny federasionan’ny Baolina kitra Malagasy sy ry zareo Maraokana, fa tsy miankina velively amin’ny TVM, hoy ny fanambarana nataon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Raha tonga amin’ny fifanarahana dia hafaliana ho an’ny Televiziona Malagasy sy ny ORTM ny mandefa mivantana ny lalao, hoy hatrany ny fanambarana.

 (Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.