Kitra - Barea: Hiatrika lalao ara-pirahalahiana any ivelany

  • dimanche, 13 septembre 2020 12:12

Hiatrika lalao ara-pirahalahiana any ivelany ny Barea an’i Madagasikara ho fanomanan-tena mialoha ny lalao mandroso sy miverina hifanandrinany amin'ny Côte d’Ivoire.

Lalao fifanintsanana CAN 2021, tokony ho natao tamin’ny volana martsa 2020 ity fihaonan’ny Barea sy Côte d’Ivoire, saingy nahemotra noho ny valanaretina coronavirus.

Hatao eo anelanelan’ny 9-17 novambra 2020 ny lalao, ka any Côte d’ivoire ny lalao mandroso.
Mety hatao ao amin’ny kianja Barikadimy Toamasina ny lalao miverina eto Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.