Kitra - CAN 2019: Herintaona katroka androany, nanoratra tantara ny Barea an’i Madagasikara

  • lundi, 22 juin 2020 21:01
  • Tahirin-tsary nindramina

Ny 22 jona 2019 no niatrika ny lalao voalohany, nanamarika ny fandraisana anjara voalohany amin’ny dingana famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny baolina kitra ny Barea an’i Madagasikara.

Ny «Syli national» an’i Guinée no nifandona voalohany tamin’ny Barea, tao amin’ny Vondrona B nisy azy, niaraka tamin’ny Burundi sy Nigéria.

Nirava ady sahala 2 noho 2 ny ekipa roa tonta, tao Alexandrie. Nisantatra ny fampidiram-baolina i Guinée. Nanasahala ny isa i Abel Anicet. Nampidi-baolina indray avy eo i Carolus, ary nitarika 2 noho 1 i Madagasikara. Penalty no namonoan’i Guinée ny baolina faharoa nahasahala ny isa nisarahan’ny roa tonta.

Nanomboka teo ny fientanan’ny Malagasy nanohana ny ekipany, ary nahavaky vava ireo teknisianin’ny kitra nanaraka iny CAN 2019 tany Egypta iny ny zava-bitan’ny Barea.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.