Sport

    • jeudi, 14 janvier 2021 19:29
    • Sary nindramina

    Kitra : Hisy “Tournoi La relève - Doritos” ho an'ireo 14-15 taona

    Hotanterina manomboka ny 7 feboary 2021 izao ny “Tournoi La relève- Doritos” ho an'ireo 14-15 taona. I Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena amin’ny baolina kitra no ho ray mpiahy ny fifaninana, iarahana amin’ny orinasa Aldis izay mpivarotra ny vokatra Doritos. 64 ny klioba hifaninana, hozaraina anaty vondrona 8. Ny klioba 2 voalohany isaky ny vondrona no tafakatra amin’ny dingana 1/8-ndalana. Vinavinaina hatao ao amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lalao famaranana ny volana novambra 2021. Hanomboka ny 14 janoary, ary hitohy hatramin'ny 22 janoary 2021 ny fisoratana anarana, ary maimaimpoana. Miara-miasa amin'ny fanatontosana an'ity fifaninana ity ny Vaomiera kitra ho an’ny tanora avy ao amin'ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra sy ny ligy Analamanga.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 12 janvier 2021 19:38
    • Sary nindramina

    Kitra malagasy : Hijanona tsy hilalao intsony i Leda, mpiandry harato

    Tamin’ny alalan’ny tambazotra serasera no nanambaran’i Leda Sandratra Mathieu sy Rakotonirina Jolce Junior fa hapirina ny gaodasiny, ka ijanona tanteraka tsy ho mpilalao baolina kitra amin'ny sehatra avo eto Madagasikara izy ireo. Hifantoka tanteraka amin'ny asa aman'andraikitra amin'izay izahay ary koa amin'ny fikarakarana ny Ankohonana, hoy ny fanambarana. Mpiandry harato tao amin’ny ekipam-pirenena malagasy na Barea i Leda, isan’ireo niaro ny voninahi-pirenena nandritra ny CAN2019 natao tany Ejipta i Leda. An’isan’ireo mpilalao novolavolain’ny klioba « CNaPS sport football » izy. Maro ny zava-bita tsara nataon’i Leda teo amin’ny sehatry ny baolina kitra teto Madagasikara ary indrindra teo amin’ny klioba « CNaPS sport football », izay nanomezan’ny mpitantana ny klioba azy sy ireo mpiasan’ny CNaPS rehetra manerana ny Nosy ny marim-pankasitrahana ho fankasitrahana azy. 32 taona i Leda izao nanapa-kevitra tsy hilalao izao intsony.  
    Lire la suite ...
    • lundi, 11 janvier 2021 20:08
    • Sary : MJS

    Tinoka Roberto : Natao hanokanana ireo fotodrafitr’asa efa natomboka ny taona 2021

    Nanao jery todika ny asa vita ary nanoritra ny lalana hizorana amin’ity taona vaovao 2021 ity ny minisitry ny fanatanjahantena sy ny tanora Tinoka Roberto nandritry ny fananganan-tsaina voalohany teo amin’ny “Place Goulette” Ambohijatovo androany alatsinainy 11 janoary 2021. Nambaran’ny minisitra fa ny taona 2021 dia natao hanokanana ny fotodrafitr’asa izay efa natomboka, toy ny kianja mitafo manarapenitra miisa 15, dobo filomanosana olimpika 2 ary kianja manarapenitra miisa 30. Vinavinaina ho sivy volana ny faharetan’ny fananganana izany.Tanjon’ny ministera ny hitsinjara mitovy ny fananganana fotodrafitr’asa toy izao isam-paritra mba tsy hitanila, ary efa ao anatin’ny fanomanana sahady ny fampiantranoana ny lalaon’ny Nosy 2023. (Jereo Sary Tohiny)  
    Lire la suite ...
    • mercredi, 30 décembre 2020 09:57
    • Sary nindramina

    Kitra Malagasy : Nodimandry i Gôly Be

    Nodimandry tany Bordeaux Frantsa ny 29 desambra 2020 i Rafalimanana Ferdinand na Gôly Be, ilay mpiandry harato malazan'ny Club M, tamin’ny naha mpanazatra an’i Peter Schnittger. Nilalao tao amin’ny Fortior de la Côte Ouest sy SOTEMA Mahajanga izy, ary efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy Club M.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 13 décembre 2020 12:52
    • Sary nindramina

    Beach Soccer : Hisy fampivondronana voalohany ny ekipam-pirenena Malagasy

    Hiatrika fampivondronana voalohany ao Mahajanga ny ekipam-pirenena Malagasy ny Beach Soccer. Hanomboka rahampitso alatsinainy 14 desambra izany, ary hitohy hatramin'ny 19 desambra 2020 izao. Ho fanomanana ny fandraisana anjara amin'ny fifanintsanana ny fiadiana ny ho tompodakan'i Afrika CAN Beach Soccer Sénégal - Mai 2021 ity fampivondronana ity.  
    Lire la suite ...
    • vendredi, 27 novembre 2020 20:47

    Taranja Judo : Hampiantrano ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika i Madagasikara

    Hotanterahina ny 17 ka hatramin’ny 20 Desambra 2020 ny lalao afrikana iadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja Judo, ka eto Madagasikara no handraisana izany, araka ny fampahafantarana nentin’ny minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena, Tinoka Roberto. Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia 25 novambra 2020 izany, ary napetraka mazava ireo fepetra rehetra ara-pahasalamana tsy maintsy harahana, toy ny fanaovana ny fitsirihana ara-pahasalamana, sy ny fanaovana Test PCR, mialoha ny hidirana eto Madagasikara sy hanaovana ny fifaninana. Fandrindrana ny fitaterana ireo atleta avy any Afrika ho tonga eto Madagasikara, fanaovana ny fifanintsanana tsy azo hatrehin’ny daholobe, fijanonana any amin’ny toerana hitobian’ireo mpanao fanatanjahantena rehefa tsy mandray anjara amin’ny fifaninana izy ireo, fametrahana arovava orona rehefa mivezivezy ivelan’ny toerana hifaninanana.  
    Lire la suite ...
    • mardi, 17 novembre 2020 22:06
    • Sary nindramina

    Kitra – Fifanintsanana CAN 2021 : Voatazon’ny Barea sahala 1 noho 1 ny Elefantan’i Côte d’Ivoire

    1 noho 1, io no isa nisarahan’ny Barea an’i Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, nandritra ny lalao miverina natao tao amin’ny Kianja Barikadimy Toamasina androany tolakandro. Ny Ivoariana no nahatafiditra baolina voalohany teo amin’ny minitra faha-15, taorian’ny penalty nodakan’i Franck Kessié, izay isa tokana nentin’ny ekipa roa tonta niala sasatra. Nosahalain’ny Barea tamin’ny alalan’i Ibrahim Amada, kapiteny, tamin’ny daka mandrivorivo avy any amin’ny 30m, teo amin’ny minitra faha-51, ary io isa sahala 1 noho 1 io no nisarahan’ny roa tonta. Sambany teo amin’ny tantaran’ny lalao nifanandrinan’ny ekipam-pirenena malagasy sy ivoariana no ady sahala, fa saika nibata fandresena hatrany i Côte d’Ivoire. Samy manana isa 7 mitovy i Côte d’Ivoire sy Madagasikara taorian’ny andro fahaefatra ny lalao ao amin’ny vondrona K misy antsika. Nandresy 3 noho 0 an’i Niger i Ethiopie androany, lalao natao tany Ethiopie ary mametraka an’ity firenena ity eo amin’ny laharana fahatelo vonjimaika, manana isa 6, ao amin’ity vondrona K ity.
    Lire la suite ...
    • mardi, 17 novembre 2020 07:45

    Kitra – Fifanintsanana CAN 2021 : Anio ny lalao miverina Barea # Elefanta Côte d’Ivoire

    Ora sisa andrasana dia raikitra ny lalao miverina hifanandrinan’ny Barea an’i Madagasikara amin’ny Elefanta Côte d’Ivoire. Lalao izay hotanterahina ao amin’ny Stadium Barikadimy – Toamasina, anio amin’ny 4ora tolakandro ora eto Madagasikara. Ny taona 1977 no vita ny Stadium Barikadimy. Ny taona 2004 no nisy lalao iraisam-pirenena farany tao amin’ity kianja ity.  
    Lire la suite ...
    • dimanche, 15 novembre 2020 18:00
    • Sary nindramina

    Kitra - Barea : Ho anisan'ireo mpilalao hiatrika amin'ny Côte d'Ivoire i Zotsara

    Nodisoin’i Nicolas Dupuis, mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny baolina kitra, ny resaka niely tamin’ny facebook fa voan’ny tsimokaretina Covid-19 i Zotsara, iray amin’ireo mpilalao 23 mandrafitra ny delegasiona malagasy miatrika ny lalao mandroso sy miverina amin’i Côte d’Ivoire. « Tsy araka ny feo mihely mahakasika an'i Zotsara, izay ao anatin'ny delegasiona tonga eto Toamasina, izay nolazaina fa hoe : « positif » dia voamarina tamin'ny fitiliana natao izao maraina izao fa « négatif » izy, ary ho anisan'ireo mpilalao hiatrika ny Côte d'Ivoire amin'ny talata izao. Ny staff rehetra koa dia tsy misy mitondra ny otrikaretina Covid-19 », hoy i Nicolas Dupuis.  
    Lire la suite ...
    • samedi, 14 novembre 2020 21:16

    Kitra – Fifanintsanana CAN : Samy efa ao Toamasina ny Barea an’i Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire

    Tonga io tolakandro io teto Madagasikara, ary samy efa ao Toamasina, toerana hanatanterahana ny lalao miverina hatao amin’ny kianja Barikadimy, ny talata 17 novambra 2020 ny Barea an’i Madagasikara sy ny Elefantan’i Côte d’Ivoire. Tonga mialoha ny Ivoariana, ary naneho fa tsy hitsangatsangana no ahatongavany eto Madagasikara fa mbola haka isa telo. Vonona hanarina ny lesoka sy handrombaka fandresena ihany koa ny Barea. Nanomana fitsenana manokana azy ireo hatreny Ambalamanasa, ka hatrao amin’ny Hôtel Calypso hitoeran’ny ekipam-pirenena malagasy, ny vahoakan’i Toamasina tamin’ny fahatongavan’izy ireo io tolakandro io.
    Lire la suite ...
Page 1 sur 76