Krismasy 2020 : Nizara fanampiana ho an’ireo ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo aty atsimo ny AM.MI

  • vendredi, 25 décembre 2020 16:51
  • Sary nomena

Nandray ny adidy tandrify azy ny AM.MI « Ambanivolo Miakatra » tarihin'ny Filoham-boninahiny Rakotomamonjy Jean Rodriguez amin'izao andron’ny Noely izao, izay fotoana indrindra hifampizarana fitiavana sy ifanomezan-tanana.

Amin’ny maha fikambanana miahy ny maha olona azy dia nahatsiaro manokana ireo mpiray tanindrazana ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo aty amin'ny faritra atsimon’ny Nosy ny AM.MI.

Notanterahina ny andron’ny Krismasy 25 Desambra 2020 izany, ka ireo zokiolona, vehivavy mitondra tena, terabao, kilemaina ary ankizy tamin'ny tokantrano miisa 600 teo no nisitraka izany fanampiana izany tao amin'ny Fokontany Ampary sy Andaza, Kaominina Anjampaly, Distrika Tsihombe.

Vary 200kg, rano 800 litatra, miampy legioma 6 taonina ary bisiky 17 baoritra no nozaraina tamin’izany, sady nirary fety sambatra ho an’ny Malagasy rehetra ny AM.MI.

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.