Ady amin'ny covid-19 : Nampitomboana ny fitaovam-pitsaboana sy kojakoja ilain’ny mpiasan’ny fahasalamana

  • dimanche, 15 novembre 2020 19:32
  • Sary nindramina

Tontosa ny zoma 13 novambra 2020 teny amin’ny tokotaniben’ny Hôpitaly HJRA Ampefiloha ny fanolorana ireo fitaovam-pitsaboana sy kojakoja ilain’ny mpiasan’ny fahasalamana hanomezana tolotra ara-pahasalamana mendrika ho an’ny vahoaka.

Fiaraha-miasan’ny Governemanta Malagasy amin’ny Governemanta Japoney sy ny UNFPA no nahazoana ireto fitaovana ireto.

Faritra miisa 15 manerana an'i Madagasikara no hisitraka izany, dia Alaotra Mangoro, Analamanga, Atsimo Andrefana, Androy, Atsinanana, Betsiboka, Boeny, Sofia, DIANA, SAVA, Matsiatra Ambony, Ihorombe, Vakinankaratra, Vatovavy Fitovinany ary Menabe.

Mpiasan’ny fahasalamana miisa 661 no novatsiana fitaovana sy akanjo fiarovana. Hopitaly miisa 53 sy Tobim-pahasalamana 318 ihany koa no hahazo tombony amin'izao fiaraha-miasa amin'ny Governemanta Japoney sy ny UNFPA izao.

Misy fitaovana sy kojakoja 3 025 ihany koa homena ireo vehivavy hiatrika fiterahana. Toeram-pitsaboana miisa 5 any amin’ireo toerana tena saro-dalana no nahazo « moto » hahafahan’ireo mpiasan’ny fahasalamana manatanteraka tsara ny asany.

Efa nanomboka ny Talata 10 novambra lasa teo ny fitsinjarana ireo fitaovana rehetra ireo manerana ny Faritra sy Distrika maro eto amintsika.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.