Bakalôrea 2020 : « Aleo hiatrika ampitoniana ny fanadinana ny mpianatra », hoy ny Minisitra Assoumacou Elia Béatrice

  • dimanche, 18 octobre 2020 18:12

Miantso ny olom-pirenena rehetra mba hamela ny mpianatra hiatrika ny fanadinana ampitoniana ny Minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa Pr Assoumacou Elia Béatrice, « izay antoka hananan'ny mpiadina fifantohana amin'izany fanadinana hatrehiny izany », hoy izy.

« Tsy ho tombotsoan'iza na iza ny fanakorontana ny mpianatra hanala fanadinana fa fanapotehana ny hoaviny », hoy izy.

Misaotra ary midera ny ezaka nataon'ny mpitandro ny filaminana sy ny Fitsarana, ny Minisitra Assoumacou Elia Béatrice taorian’ny nisamborana sy nampidirana am-ponja vonjimaika ao Antalaha olona miisa efatra, mpampianatra iray sy tanora telo izay mpianatra hiatrika fanadinana bakalôrea.

Voarohirohy no namorona laza adina sandoka taranja Malagasy, filozofia, tantara sy jeografia ary matematika, izay nanaparitaka izany tamin'ny tambajotra facebook. Ny 2 novambra ho avy izao no hiakatra Fitsarana ireo olona ireo.

Manameloka tanteraka ny fanakorontanana amin'ny endriny maro samihafa ny fanadinana bakalorea ny ministera.

Aleo hiatrika ampitoniana ny fanadinana ny mpianatra mba hananan'ny firenena olona vanona sy vonona any aoriana, mba tsy ho raraka an-tany ihany koa ny ezaka nataon'ireo mpianatra nandritra ny taona maro, indrindra ny tamin'ity taona ity izay sarotra tokoa noho ny fiatrehana ny Covid-19, hoy ny fanambarana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.