Nosy Be: Hiverina an-tsekoly ireo mpianatra amin’ny kilasim-panadinana

  • vendredi, 31 juillet 2020 11:59

Hiverina hianatra ny mpianatra manomboka amin’ny Alatsinainy 3 Aogositra 2020 ireo mpianatra amin’ny kilasim-panadinana CEPE, BEPC ary ny Bakalorea ato amin'ny Cisco Nosy-Be rehefa niato roa herinandro teo.

Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco Nosy Be, Rabemanjary Thierry Anicet dia diovina ny toeram-pianarana rehetra alohan'ny hidiran’ny mpianatra, ary hajaina ireo fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina coronavirus.

Mpianatra iray isaky ny latabatra ary tsy tokony hifampikasokasoka koa ireo mpianatra mba hiarovan'izy ireo ny tenany.

Afaka mianatra maraina sy hariva ny mpianatra saingy tsy tokony hihohatra ny 5 ora ny firavana amin’ny hariva.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.