Fiarahamonina: Mifoka sigara ny 8,9% ny zaza 13-15 taona

  • dimanche, 31 mai 2020 19:43
  • Sary nindramina

Ankalazana 31 May ny Andro iraisam-pirenena tsy ifohana sigara sy tsy ihinanana paraky. "Ny tanora no hoavin'ny firenena" no lohahevitry ny fankalazaina amin’ity taona 2020 ity.

Araka ny valin'ny fanadihadiana nataon'ny "OMS" tamin'ny taona 2008, ny 19,83% ny zaza 13-15 taona no mifoka sigara. Noho ny ezaka nataon'ny Fitondram-panjakana dia nidina ho 8,9% izany amin'izao taona 2020 izao. Anisan'ny paikady nentina tamin'izany ny fanentanana maro isan-karazany amin'ny alalan'ny afisy sy ny haino aman-jery, ny "avertissement sanitaire" hita amin'ny fonon-tsigara ireny.

Nanatanteraka fanentanana ireo mpianatra hanala fanadinana BEPC eo anivon'ny CEG Antanimena-Antananarivo ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka tamin'ny alalan'ny OFNALAT (Office Nationale de Lutte Antitabac) ny zoma 29 may 2020.

Tanjona ny hampidinana amin'ny ampahatelony ny tahan'ny fahafatesana ateraky ny aretina tsy mifindra ary ny hanaovan'ny Fanjakana vaindohan-draharaha ny ady atao amin'ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.