Covid-19 Toamasina: Tonga ireo fitaovana sy fanafody fanampiny

  • vendredi, 29 mai 2020 08:24
  • Sary nomena

Tsy mitsaha-miakatra ny isan'ny mitondra ny tsimok'aretina Covid-19 aty Toamasina, ka hiadiana amin'izay, araka ny fampanantenan'ny Filoha Andry Nirina RAJOELINA tamin'ny fandalovany farany teto an-drenivohitra Betsimisaraka dia ilaina ny fampitaovana mahampy.

Ankoatr'ireo fitaovana sy fanafody tonga hatramin'izay, dia nisy ny sidina TSARADIA Cargo ny Alakamisy 28 may folakandro, nitefa tao Ambalamanasy, nitondra fitaovana maro:

- Appareil respirateur miisa 07, ka 02 avy amin'ny Fiadidiana ny Repoblika, ary 05 avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka;
- Fanafody 17 baoritra, tena ilaina amin'ny fitsaboana ireo marary,
- Appareil spécial miisa 02;
- Tambavy CV Organics ho an'ny mpianatry ny oniversite Barikadimy;
- Sy fitaovana maro isan-karazany...

Ny Governora RAFIDISON Richard Théodore no tonga nandray izany nisolo tena ny CRCO Atsinanana.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.