Fianarantsoa: Nanomboka androany ny fizarana ny « Tosika Fameno »

  • mercredi, 27 mai 2020 15:28
  • Sary: Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony

Nanomboka androany ny fizarana ny « Tosika Fameno » ho an’ny Distrikan’i Fianarantsoa. Miara-misalahy amin’ny fizarana, manaraka ny fepetra sy toromarika mihatra amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao, ny Faritra Matsiatra Ambony, ny Kaominina ambonivohitra Fianarantsoa, ny Fokontany, ny FID, ny Oniversiten’i Fianarantsoa, ny Fitaleavam-paritra miadidy ny mponina, ny Fahasalamana, ny Paositra Malagasy, ny AGEX ary ny Mpitandro filaminana.

Haharitra 15 andro izao fizarana ny « Tosika Fameno » izao eto amin’ny Distrikan’i Fianarantsoa, ka ny Firaisana Lalazana sy Vatosola no nanombohana izany tamin’ity androany ity.

(Loharanom-baovao: Governoran’ny Faritra Matsiatra Ambony)

(Jereo Sary Tohiny)

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.